Jly Rakotonirina Richard : “Firenena mahaleo tena sy manana ny fiandrianany i Madagasikara”

Nanatanteraka famelabelaran-kevitra, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-
bahiny Anosy, mitondra ny lohateny hoe “Madagascar : insularité et contraintes géopolitiques” ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN) sady minisitry ny Raharaham-bahiny (MAE) mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard.

Novelabelariny nandritra izany fa Nosy manana ny fiandrianany i Mada­gasikara. “Tany mahaleo tena tanteraka sy manana ny he­viny ary ny fomba fijeriny i Madagasikara. Manana ny safidiny hiarahany miasa na tsia ka tsy misy afaka manery azy amin’izany”, hoy izy. Nohamafisiny fa afaka mametraka ny fomba fijeriny manoloana ny zava-misy iraisam-pirenena ankehitriny ny firenena malagasy ka ny filohan’ny Repoblika no mitarika izany. Afaka mijery sy miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’ antoka rehetra sy fikamba­nana maro samihafa amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana maneran-tany ny firenena malagasy. Mandray andraikitra feno ao anatin’ izany, hiarahana amin’ireo firenena samihafa sy fikambanana toy ny “Vondrona afrikanina” amin’ny famonjena ireo fivoriana samihafa mba ho fanatanterahana izany.
Nandray anjara tamin’ity velan-kevitra ity ny mpahay “géopolitique” fanta-daza maneran-tany, Pascal Boni­face. Nohazavainy ny toe-java-misy amin’ny lafiny fi­fandraisana sy ny politika eran-tany. “Zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fisian’ ny fihaonambe tahaka izao ary tena ilaina hisian’ny fifanakalozana hahafahana ma­natsara sy manamafy ny fifandraisana eo amin’ireo firenena maro”, hoy Pascal Boniface. Nanamafy izany koa ny Ma­soivoho frantsay, Guillois Arnaud fa manana mpahay “géopolitique” matanjaka i Madagasikara raha niarahaba ny minisitra nahavita izao dingana lehibe izao.

Jean Claude

Partager sur: