Tsy toy ny sarimihetsika malagasy saika mahazatra… Teo amin’ny fanoratana sy ny fanatontosana dia efa tsapa ny ezaka hanome endrika vaovao ny sarimihetsika malagasy, ao anatin’ny « Mandrakizay Doria ». Mipetraka ho tsipi-panohizan’ny tantara taloha sy ny ankehitriny ny vokatra.
Ny 13 febroary 2026 izao no handeha voalohany anaty efitrano fijerena sarimihetsika toy ny Cinépax ny «Mandrakizay Doria». Efa amam-bolana mialoha izany anefa no manomboka fantatra ka nampanitikitika ny maro, indrindra ireo mpankafy sarimihetsika, izany. Nambara fa azo hitarafana ny tantara teto afovoan-tany, nanomboka tany amin’ny taona 1869 ity sarimihetsika lava, voalohany notontosain’i Franco Clerc, ity. Avy dia nanaitra izany, indrindra rehefa fantatra fa niara-nanoratra sy namolavola tao i Rolland Raman, Synthia Saga ary i Joey Aresoa. Mampifandray ny tantara, ny zava-misy taloha sy ny ankehitriny, ny tantara anatin’ny sarimihetsika «Mandrakizay Doria».
Mazava loatra fa tantaram-pitiavana ny fototra, raha tarafina amin’ny lohateniny fotsiny. Amin’ny teny malagasy iray manontolo, mitety vanim-potoana, satria nanomboka ny taona 1869 izany. Tantaran’i Railovy, tantsaha latsa-pitiavana tamin’i Lala, zanaky ny manana tamin’izany, vanim-potoana nisian’ny elanelana migodana teo amin’ny fiarahamonina malagasy mihitsy. Nila vonjy tamina mpitaiza i Railovy mba hahazoany ody izay mitamby ny tsy fahafatesana, hany ka nitarika ny tsy fahafatesana ho azy sy i Lala izany. Voaozona nitety vanim-potoana maro efa ho 150 taona ary mitarika hatraty amin’ny taona 2024 izany tantaram-pitiavana izany…
150 taona, maro ny miova. Manaraka izany koa ny ravaka, fitafy, sns, anaty sarimihetsika. Tsy ny fifehezana ny tantara fototra fotsiny, fa ao koa ny tantaram-pirenena, ny vakoka sy ny endri-kolontsaina maro takin’ny sarimihetsika toy izao. Voafehy ao anatin’ny adiny 1 sy 48 minitra izany, izay ravahan’ny mozikan’i Hélène Havice, Aina Rasamoelina ary Volahasiniaina Linda.
Zo ny Aina




