Kolontsaina sy zavakanto: Mbola vitsy ireo sahy mamatsy tetikasa

Hatramin’izao, mbola ny tontolon’ny hira ihany no ma­hi­ta hirika. Manome na mampiasa vola hanatanterahina ny famerenan-kira sy ny fiakarana an-tsehatra ny mpandraharaha, rehefa avy nanao kajy fa ho voaverina ny volany. Ha­hazo tombony izy. Tsy ny hira irery, anefa, no zavakanto. Ani­san’ny manana tetikasa goavam-be, ohatra, ry zareo mpanao tantara an-tsary, ato ho ato. Tao anatin’ny taona ma­romaro. Tsy nisy namaly sy na­nohina ireo antso natao mom­ba ito tetikasa hamadihana ho tantara an-tsary ireo angano malagasy mitahiry soatoavina ireo. Tahaka izany ihany koa ilay tetikasa lehibe hoentin’ny vondron’ireo mpampianatra zavamaneno nentin-drazana.
Ny fanazavana ve no tsy ampy sy tsy maharesy lahatra ireo mpampiasa vola? An­koatra ny tontolon’ny hira, tsy mbola misy zavakanto na ko­lontsaina hafa, maharesy lahatra ve eto Madagasikara? Tsy mbola nahavita nanamporofo ny maha zava-dehibe ny zavakanto sy ny kolontsaina ve ny mpikirakira izany?…
… Ilay fanabeazana ny Malagasy no mila atodika any amin’ny fototra sy any amin’ny loharano nipoirana. Fahiny, nandray anjara lehibe tamin’ny fanabeazana sy fitaizana ary fampitam-pahalalana ny zavakanto sy ny kolontsaina. Ankehitriny, zary fanalana ha­mohamo sisa no andraisana azy ireny, ka na mamotika ny soatoavina izao aza, mbola lazaina fa zavakanto ihany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: