Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Andravoahangy, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 4 ora latsaka fahefany. Niseho teo amin’ny lalana Hagamainty ny loza. Fiara mpitatitr’olona, zotra 141 iray, tapaka hisatra. Avy any Ambatomainty ary hihazo ny Rond point Hagamainty io fiara io. Niala ny arabe izy ka nifatratra sy nandona olona miisa telo tamin’ny sisin-dalana. Mbola nifatratra tamin’ny posy iray tarisin-tanana sy nitondra entana teo alohany ihany koa avy eo. Vokany, maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray, 73 taona, mpivarotra ary monina eny Anjanahary. Naratra mafy ny olona efatra hafa niharam-boina. Nahitana lehilahy 44 taona, mipetraka any Imamba, rangahy iray mpitarika posy ary vehivavy 44 sy 39 taona samy mipetraka eny Andraisoro. Raha ny fanazavana voaray, ankoatra ny ratra mafy nahazo azy ireo, tapaka niala mihitsy ny tongotra havian’ilay ramatoa namoy ny ainy. Mbola tsaboina eny anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha avokoa moa ireo naratra rehetra.
Mpivady niara-maty tetsy Alasora
Mpivady nandeha tamin’ny sisin-dalana ihany koa nofaohan’ny kamiao mpitatitra entana iray teny Mandikanamana, kaominina Alasora, ny harivan’ny 29 janoary 2026. Vokany, maty tsy tra-drano, nandritra ny loza, ilay raim-pianakaviana. Novonjena tany amin’ny hopitaly CSB II Alasora haingana ilay ramatoa saingy tsy tana koa ny ainy. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana ny polisy miasa eny Alasora. Mpiambina garazy fitoerana fiara io lehilahy nitondra fiara io. Nangalatra nitondra fiara izy tamin’ny fotoana tsy nahateo ny tompon’ny fiara. Taorian’ny loza, notanana natao andrimaso any amin’ny biraon’ny polisy ny tenany. Hatolotra ny fitsarana kosa ny raharaha aorian’ny famotorana ataon’ny polisy.
Mino




