TSELATRA

Handalo amin’ny distrika 38 anatin’ny faritra valo ny rivodoza Fytia, araka ny tombana voaray omaly. Heverina fa hahatratra 175 493 ny olona traboina (avy amin’ny tokantrano 40 812). Hahatratra 41 784 ireo trano dibo-drano, 6 168 ny trano sy ny foto-rafitrasa samba. 1 580 ny efitrano fianarana simba amin’ny ampahany, 176 ny CSB I/II sy ny hopitaly ahitana fahasimbana. 10 282 Ha ny tanimbary dibo-drano, 1 843 Ha kosa potika.

Lasibatry ny vono olona matetika ny olona mpanao taxi-moto eto, indrindra ny eto Antananarivo. Lehilahy iray, miasa manao io asa io, indray no naratra voafiran’olon-dratsy antsy tetsy By-Pass, omaly atoandro. Tsy maty izy fa efa voavonjy haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana. Efa nisy olona niandry nanambana tamin’ny antsy teny amin’ny toerana nanalana azy. Ni­tondra basy ilay olona iray hafa nandeha tamin’ny moto.

Fiara kely iray miloko mena indray no nivadika ambony ambany tetsy amin’ny lalam-baovao Ambohitri­man­jaka, omaly atoandro. Nitranga teo akaikin’ny sampanana Ambohitrimanjaka ny loza. Tsy mbola fantatra ny antony niavin’ny loza. Efa tonga teny an-toerana ny polisy miasa teny amin’ny manodidina nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana.

Nanatanteraka fambolen-kazo teny Ambatomi­ra­ha­vavy ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, omaly. Zana-kazo 1 500 no novolena nandritra izany. Nahitana Acacia, Pin sy Olive. Nitarika izany ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Ny Inspecteur Général de Police Erick Michel, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra ambony sy manam-boninahitra.

Partager sur: