Fanaingana toekarena-Fianarantsoa : Omena lanja ny fandraharahana ara-pamokarana

Manan-danja any amin’ireo faritra ao anatin’ny faritanin’i Fianarantsoa ny fambolena sy ny fiompiana. Hampiroboroboana ireo sehatr’ireo, entina hanaingana indray ny toekarena.

Natao ny 22 sy 23 ja­noary teo, ny Dinika ho fanaingana ny toekarena tany Fianarantsoa, ho an’ny faritra Amoron’i Mania, Ihorombe, Atsimo Atsina­nana, Vatovavy Fitovinany ary Matsiatra Ambony. Na­pe­­tra­ky ny minisiteran’ny Fam­bo­lena sy ny fiompiana (Minae) ho laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny fandraharahana ara-pamo­ka­rana (Agri-business). Satria, ma­tan­jaka ny seha-pihariana mifototra amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Eo ny vary izay foto-tsakafon’ny Malagasy. Voly stratejika any an-toerana, ny voanjo, ny katsaka ary ny mangahazo. Manana ny lanjany ao amin’ireo faritra ireo ny rojom-pihariana vokatra fa­nondrana, toy ny dipoavatra, ny jirofo ary ny kafe. Ho an’ny fiompiana, hita any an-toerana ny omby fakana nofo, ny ronono, ny akoho amam-borona ary ny fiompiana sy fanodinana ny tantely.
Hatao mangarahara ny sehatry ny fandraharahana ara-pamokarana. Kendrena manokana ny rojom-piha­riana fanondrana mampiavaka an’i Fianarantsoa. Koa, hampitomboana ny vela­ran-tany azo volena. Hamoraina ny fikarakarana ny taratasy fanondranana. Jerena manokana ny fahazoan’ny mpamokatra tamberim-bidy ara-drariny. Hapetraka mazava ny fanarahana ny lalàna mifehy ny fandraharahana.
Hamoahana tondrozotra
Anisan’ny nandrindra ny fanatanterahana ity dinika isam-paritany tany Fianaran­tsoa ity ny Fandaharanasa Defis, eo ambany fiahian’ny Minae. Havondrona ny angon-kevitra sy soso-kevitra voaray, haroso any amin’ny Dinika nasionaly, handrafetana ny tondrozotra, hanaingana ny toekarena amin’ny alalan’ny «Agri-business». Araka ny tenin’ny filohan’ny Fanavao­zana ny Repoblika, kolonely Randrianirina Michaël, «tsy mila kabary lava isika, mila miasa, mila vokatra, mila fandrosoana hita maso».

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: