Tongoloina : Hadihadiana ny antony nahasimba ny tohodrano

Nisy fahasimbana vokatry ny orambe ny tohodrano Tongoloina eny Ampahitrosy Atsimondrano, ny 25 janoary teo. Hanamarina ny asa nananganana ny tohodrano eny Ampahitrosy Atsimondrano ny Antokondraharaha mpandrindra ny tsenambaro-panjakana (ARMP). Voalaza fa tsy hisy ny famindram-po amin’ny fanaovana kitoatoa ny asa. Araka ny antontan-kevitra niomerika ananan’ny ARMP, mitentina 1,650 miliara Ar ny tetibidin’ny asa amin’ity tsenam-panjakana ity. Nanomboka ny taona 2022 ary vita ny taona 2024.
Nidina ifotony teny an-toerana ny mpikambana anaty governemanta, ary nanamafy fa hanao fanamarinana hentitra sy voamarina, ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola (MEF). Hamarinina ny tompon’antoka amin’ny fahasimban’ity tohodrano ity. Notsindrian’ny minisitera MEF, fa ohatra iray mivantana amin’ny fitantanana ny fampiasam-bolan’ny fanjakana ity tany Tongoloina ity. Tokony hamaly ny kalitao sy ny fiarovana ary ny faharetan’ny fitaovana sy ny kojakoja nampiasaina. Tsy afaka hikipy amin’ny mety ho karazana hosoka ny fanjakana. Tokony hamokatra asa mafy sy maharitra ary azo hamarinina ny volam-bahoaka.

Njaka A.

Partager sur: