Village des SAE : Manamafy ny fandraharahan’ny tanora

Tanterahina etsy amin’ny Cité des Cultures Antani­narenina ny andiany faharoa amin’ny Village des structures d’accompagnement à l’entrepreneuriat (SAE). Hetsika lehibe ho an’ny tontolon’ny fandraharahana eto Madaga­sikara, karakarain’ny tamba­jotra Madagascar SAE (MaSAE) tao anatin’ny teti­kasa IncuBoost, vatsian’ny Vondrona eoropeanina, tanterahin’ny Onudi sy ny UNCDF ary tohanan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP). Tanjona ny hanohana ny ta­nora mpandraharaha, ny vehivavy ary hanamafisana ny fa­haiza-manaon’ireo misehatra eo amin’ny tsy ara-dalàna mba ho loharanon-karena maharitra sy azo hianteherana. «Hita ety an-toerana avokoa ireo rafitra samihafa mpanome tantsoroka ho amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikara», hoy ny filohan’ny MaSAE, Randriamaromanana Tan­drify.

Loharanon-karena
Fanamby lehibe ho an’i Madagasikara ny hananan’ny tanora asa maharitra. Mbola vitsy ny tanora tafiditra miasa amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Sakana lehibe ny tsy fahampiana fotodrafitrasa, ny fampiasam-bola. Noho izany, fitaovana stratejika ny fandraharahana mba hahafahana mamorona asa sy hampitomboana ny vokatra, hanohanana ny fampandrosoana maharitra ary hanovana ny sehatry ny tsy ara-dalàna mba ho lasa matihanina sy voarindra. Araka izany, hifandray mivantana ny SAE sy ny mpandraharaha mba hanangana rafitra matotra sy mirindra ho fanohana ny fampandrosoana ny toekarena.

Henintsoa

Partager sur: