Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena fahafito, ny sabotsy 31 janoary 2026, tamin’ny 03 ora sy sasany tolakandro. Niseho teo amin’ny PK 63 + 500, Talakimaso, fokontany Miadamanjaka, kaominina ambanivohitra Manjakatompo, distrika Ambatolampy, ny loza. Nidofitra mafy tamin’ny fiara iray, sprinter mpitatitr’olona, ny kodiaran-droa marika France Rider notaingenan’olon-tokana. Avy aty Antananarivo hihazo an’Ambatolampy izy. Nandeha mafy, somary nangalatra ny akavanan-dalana. Nisy fiara nipoitra tampoka anefa, tsy tafiala izy ary nidofitra tao. Vokany, naratra mafy noho ny dona sy ratra nahazo azy ilay mpitondra kodiaran-droa. Nentina nihazo ny hopitaly ny tenany taorian’izay, saingy tsy tana ny ainy. Tsy nisy ahina kosa ny ain’ireo mpandeha rehetra tao anatin’ilay fiara. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny zandarimariam-pirenena miasa ao amin’ny tobim-paritra Ambatolampy. Raha ny fanazavana voaray, nandeha mafy ary tsy tafiala tamin’ny fiara iray nifanena taminy.
Mino




