Fakan-kevitra  

Anisan’ny zava-dehibe amin’izao hoe fanavaozana izao ny fakan-kevitra amin’izay atao, indrindra amin’ny soa iombonana. Mby hoe tsy misy toy ny teny ierana; na mafy aza, zaka ihany. Mampifanditra ny fanapahan-kevitra mandeha ila? Na mandidy dia homana… Tsy vitan’izany, mampikatso izay aleha sy atao. Tsy niteraka resabe sy fanahiana izay ho voka-panadinana ve, ohatra, ny tetiandrom-panjakana niala tamin’ny mahazatra? Mila fandaniana sy fandaminana vaovao ny fanalavana ny taom-pianarana noho ny saika hanemorana ny fanadinana. Izay no hoe mila fakan-kevitra amin’izay tena tompon-draharaha ny fanovana na fanavaozana.
Toy izany koa ny amin’ny hoe fanendrena filohan’ny Delegasiona manokana (PDS) tao Toliara I. Inona ny marina? Na ny minisitera mpiahy aza, tsy nahalala na tsy naharaka ny tena fandehan-draharaha. Tompon-trano mihono. Raha nisy aza, ohatra, ny fanapahan-kevitra manokana nataon’ireo tomponandraikitra, mba nisy fampahafantarana izany ahay. Fampandehanan-draharaha no zava-dehibe sy nahamaika? Lasa fanomezan-tsiny noho ny fanaovana tompon-trano mihono. Mba lazaina izay atao, ary atao izay lazaina amin’ny hoe fanjakana tan-dalàna, tsy misy ambonin’ny lalàna. Hatraiza ny fampiharana sy fanajana izany hoe fakan-tahaka?
Ohatra ihany ireo fa tena ilaina ary tsy azo ihodivirana amin’izay aleha sy atao ny fakan-kevitra, indrindra amin’izao hoe fanavaozana izao. Fakan-kevitra, akana ny hevitry ny maro mahataka-davitra; fakan-kevitra, hadiana hatrany ifotony na izay tena fakany ny raharaha. Mijery ifotony fa tsy manao resaka na tombana ambony latabatra. Fanavaoza­na takina sy andrasana izay amin’izao? Fanovana fomba fiasa, fanomezan-danja ny hafa… Tsy misy toy ny teny ierana ifanatrehana?

R. Nd.

Partager sur: