Ady amin’ny valala: Velarantany 40 000 ha voatondraka fanafody

Mandeha ny ady amin’ny valala any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Ampiasaina ny ady an-tanety sy ana habakabaka amin’ny fanondrahana fanafody.

Nandefa teknisianina, ekipa miisa 5, any Iho­sy, Betroka, Fotadrevo, Befandriana Atsimo ary Saka­raha ny Ivontoerana famongorana ny valala eto Madaga­sikara (IFVM), ny novambra 2025. Ankehitriny, velarantany mihoatra ny 40 190 ha no voatondraka fanafody simika sy ara-biolojika. Mitotaly 299 160 ha ny velarantany kendrena ho tondrahana fanafody simika 99 044 L sy fanafody ara-biolojika 457 kilao.
Miisa roa ny helikoptera hampiasaina ana habakabaka amin’ity taom-piasana 2025-2026 ity. Efa manao fitsirihana mialoha any Toliara ny iray ary eny amin’ny Fadintsera­na­na Ivato ny faharoa. Misy ny atodim-balala any amin’ny tapany atsimo sy atsimo andre­fana, araka ny fitsirihana ana habakabaka natao ny 18-26 janoary 2026. Mahatratra 26 750 ha ny velarantany misy andiam-balala raha ny tombana vonjimaika.
Noho ireo antony ireo, toby roa lehibe no napetraky ny IFVM any Befandriana Atsimo (distrika Manja) sy any Betroka (distrika Bekily sy Fotadrevo). Tanjona ny hampahomby ny hetsika amin’ny ady hatao.

Ady iombonana

Laharam-pahamehana ny fanamafisana ny fitandremana sy ny fandraisana andraikitra haingana, na dia ny any amin’ ny faritra tsy mbola ahitana aza, entina hisorohana ny fihanaky ny valala. Ho an’ny IFVM, ady iombonana ny va­lala. Tanjona ny hahafahan’ny tantsaha mamokatra araka ny tokony ho izy sy am-pahatoniana, hanatrarana ny fanjarian-tsakafo. Manararaotra mamboly daholo ny tantsaha amin’izao fotoana firotsahan’ny orana izao, indrindra ny any atsimo.
Hamafisina fa tsy azo atao mihitsy ny mihinana ny valala any amin’ny faritra efa voatondraka fanafody.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: