Tafapetraka ny sabotsy teo ny vatofototry ny sekoly roa vaovao ho an’ny Oniversiten’Itasy, haorina amin’ny velaran-tany 1,5 ha ao Fieferamanga, Arivonimamo. Hiorina eto amintsika ny Sekoly informatika (Erti) sy ny Sekoly fambolena sy fiompiana maharitra ary fandraharahana (Erade). “Hamolavola tanora mahafehy ny teknolojia niomerika sy ny fambolena maoderina,
mifanaraka amin’ny filàn’ny tsena sy ny fandrosoan’ny faritra ireo sekoly ireo”, hoy ny filohan’ny Oniversiten’Itasy, ny Pr. Randrianja Roger. Hisy fiofanana hahazoana ny Licence sy Master amin’ny informatika, ny IA, ny cybersécurité, ary Agri Tech ao an-toerana. Eo amin’ny fambolena, hisy ny agronomia, agribusiness ary fitantanana ny harena voajanahary.
Notarihin’ny mpanolotsaina avo ao amin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana, ny jeneraly Ranoelison Marcellin Zafitsasondry, sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Rasatarimana José Nirina, ny lanonana. Fotodrafitrasa hatsangana amin’ny velarantany 7 191 m² ny trano lehibe telo handray mpianatra 300 hatramin’ny 500. Hisy efitrano fianarana, laboratoara informatika sy agronomia, trano fitehirizam-boky niomerika ary “serres” andrana. Tanjona, amin’izany, ny hampifandray ny siansa sy ny famokarana. Mametraka an’i Itasy ho foiben’ny “Agriculture intelligente sy numérique” eto Madagasikara ity tetikasa ity.
Henintsoa




