Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 19 janoary teo, teto Antananarivo, ny Dinika ho fanaingana ny toekarena. Nitohy tany amin’ny renivohi-paritany dimy izany, nanatontosana ny tany amin’ireo faritra miisa 23, ary vita tamin’iny herinandro lasa iny. Nandrindra azy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), niaraka tamin’ny minisiteran’ny Indostria sy ny sehatra tsy miankina (MIDSP) sy ny EDBM, notohanan’ny Banky iraisam- pirenena sy ny Vondrona eoropeana.
Tanjona ny hametrahana fiaraha-miombon’antoka vaovao eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Hanamafisana ny fahatokisan’ny mpampiasa vola sy hanaingana vaovao ny fampiasam-bola marindrano mba tena hitondra fampandrosoana eto Madagasikara ihany koa.
Nangonina ireo antontan-kevitra laharam-pahamehana ara-toekarena isaky ny faritra, handrafetana drafitrasa matipaika mifanaraka amin’ny zava-misy isaky ny faritra, indrindra ireo seha-pihariana manan-danja izany. Haravona hamoahana ny fifanarahana nasionaly hanaingana ny toekarena eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina ireo rehetra ireo.
Njaka A.




