Voaroba 5 tapitrisa Ar : Mpanangom-bokatra maty voadaroka

Raim-pianakaviana iray mpanangom-bokatra no matin’ny daroka teo amin’ny hatony, afakomaly. Voaroba ny vola mitentina 5 tapitrisa Ariary. Nafenina tao anaty bozaka tao Ankerana Avaratra, ny razana.

Nifampitadiavan’ny olona akaiky azy, hita faty tao Analandrandirana, an­tampon’ny Betatamo, kaomi­nina Ankerana Avaratra, dis­trikan’i Tsiroanomandidy, ny lehilahy iray, afakomaly ma­raina. Mpamily kamiao sa­dy voairaka hanangona vokatra eny amin’ny kaomi­nina am­banivohitra sasantsasany ao amin’ny distrika ity lasibatra ity. Niaraka tamin’ny mpibata entana miisa roa lahy izy, ta­min’io diany io. Nikasa hividy vary eny amin’ny tan­tsaha izy telo lahy. Vola mitetina 6 tapitrisa Ar no tany am-pao­siny.
Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana dia nitarika azy ny iray tamin’ireo mpibata en­tana. Nihazo ny tanànan’i Ma­natsara izy roa lahy mianaka, ny zoma 30 janoary. Niandry tao amin’ny toerana nisy ny kamiao kosa ny mpibata en­tana faharoa. Nandeha an-tongotra ny roa lahy, handeha hanagom-bary. Nanomboka teo no tsy tratra antso intsony izy ireo.
Niezaka niantso azy roa lahy ilay niambina teny amin’ ny fiara. Nanontany mponina ao amin’ny tanàna manodi­dina saingy nilaza ho tsy nisy nahita ireo roa lahy mianaka ny tao an-tanàna.

Vatana mangatsiaka

Taorian’ny fikarohana na­taon’ny olona akaiky azy sy ny tomponandraikitry ny filami­nana miasa ao an-toerana, hita faty tao amin’ny tanà­nan’ Analandrina ilay raim-pianakaviana mpamily sady mpanangom-bokatra. Sarontsa­ron’ny bozaka izay niala kely ny lalana ny vatany. Noza­han’ ny tomponandraikitra ny nofo mangatsiaka. Heverina ho niharan’ny daroka tao amin’ ny hatoka no nahafaty azy. Lasan’ ny mpanao ratsy ny vola mitetina 5 tapitrisa Ar. Tavela tao am-paosiny ny 1 tapitrisa Ar rehefa tsy hitan’ny mpandroba.
Karohina ilay mpibata en­tana niaraka tamin’ity voaroba sy novonoina. Efa am-pelantanan’ny manam-pahefana avokoa ny mombamomba azy rehetra, araka ny loharanom-baovao.

Tsiferana R.

Partager sur: