Tohan’ny PTF: Mamokatra maharitra mitsinjo ny mpamokatra

Nohamafisina sy tohizana ny fiarahan’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka. Nampifandrifiana amin’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana ny tetikasa sy ny fandaharanasa hatao.

Nihaona ny 26 janoary teo, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), notarihin’ny minisitra Rasatarimanana José Nirina, ny avy amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola, nosoloin’i Iouri Garris, sekretera jeneraly, tena ary ireo mpiara-miom­bon’ antoka ara-bola sy teknika (PTF). Nampahafantarina, nandritra ny fotoana, ny drafitrasa stratejika mirakitra ny tondrozotra isaky ny seha-piharian’ny minisitera Minae. Hamafisana ny fahaleovan­tena sy ny fiarovana ara-tsakafo, entina hampitomboana ny vokatra ara-pambolena sy ara-piompiana. Hampiro­boro­boana ny fanodinam-bokatra ara-indostrialy, mba hiteraka sanda fanampiny (Valeur ajoutée) eny ifotony. Hatsan­gana ny rafi-pamokarana isaky ny rohim-pihariana sy ny tsenam-barotra. Hatsaraina koa ny fitantanana isaky ny seha-pihariana.
Nampahatsiahivin’ny minisitra Rasatarimanana José Nirina fa tsotra sy mazava ny tanjona. Ny hamokarana bebe kokoa sady maharitra, hana­tsarana ny fidiram-bolan’ny mpamokatra ary hamokarana mitodika amin’ny filàn’ny tsena.
Nore­sahina ny hanamafisana ny lafiny famatsiam-bolan’ireo tetikasa sy ny fandaharanasa efa mandeha. Satria, andrin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny famoronana asa, ny firindran’ny fiaraha-monina ary ny fanaingana indray ny toekarena amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Havaozana ireo seha-piha­riana ireo mba tena hisy fiantraikany tsara ny fanohanan’ ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka PTF.

Tondrozotra telo fanampiny
Tondrozotra vaovao telo no nanampiana ireo efa voafaritra. Hampifandrifiana amin’ ny laharam-pahamehan’ny fanjakana ny famatsiam-bola avy any ivelany. Havahana tsara ny laharam-pahame­hana isa­ky ny seha-pihariana, toy ny ara-toekarena, ara-tsosialy, ny fananantany, ny ara-tsakafo, ny famantarana ny mpisitraka ny tohana, sns. Hamoraina sy tsorina ny dingana arahina amin’ny fanatanterahana iza­ny.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: