Nentanina hiditra amin’ny ara-dalàna ireo mpitrandraka madinika misehatra amin’ny volamena any amin’ny fokontany sady kaominina Satrokala, distrika Ihosy, ny sabotsy 31 janoary teo. Nampahafantarina azy ireo ny lalàna, ny fiarovana ny tontolo iainana ary
ny dingana arahina amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Nohamafisin’ny talem-paritra, fa tsy misy fitrandrahana azo atao raha tsy mahazo fahazoan-dalana, mivondrona anaty fari-pitrandrahana voatokana (zone d’encadrement).
Andro maneran-tany ho an’ny Faritra mando, omaly 2 febroary, tafiditra ao anatin’ny Fifanarahana Ramsar, nitsangana ny taona 1971. Mpikambana feno ao kosa i Madagasikara nanomboka ny taona 1998. Miisa 21 ny faritra mando voasokajy ho Site Ramsar eto Madagasikara. Ahitana ny farihy Tsimanampetsotsa, ny faritra mando Onilahy, Ambondrombe, … ny ala honko Tsiribihina, Helodranon’Ambaro, … ny farihy Tsarasaotra, Torotorofotsy, …, ny renirano Nosivolo, …
Hanomboka ny fanarenana ny lalana any Imady, kaominina Marosoa, distrika Ambositra. Mirefy 12 km ity lalana ity, ka efa tonga any an-toerana ny milina hanatanterahana ny asa. Hatao rarivato na « béton » ny lalana tena ratsy, na koa ampiasana akora sy fitaovana manokana. Avy amin’ny Tahirimbolan’ny lalana (Fer) ny vola hanaovana azy. Miisa 5 ny kaominina hisitraka ity fanarenan-dalana ity, izay toerana tena mamokatra tokoa.




