INDRAY MIJERY

Nosokafana ny faran’ny volana janoary teo ny asa “tolo-tanana” ho fanomezana fahasalamana maimaimpoana, karakarain’ny “Rotary” ho an’ny vahoaka ao amin’ny faritra Menabe. Maro ny fandidiana atao toy ny sima, hernie, may (miraikitra), vaky lanilany…. Haha­ritra hatramin’ny 6 febroary ny hetsika. Nomarihina fa maimaimpoana avokoa hatramin’ny fanafody ary rai­sina an-tanana na ireo avy lavitra aza.

Nitsidika ny CFP Ambohibary (Vakinan­ka­ratra) ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny faran’ny herinandro teo. Nandritra izany no nijerena manokana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana enti-mampiofana eny an-toerana. Mpiofana 110 no voasoratra anarana ao amin’ny ivontoerana ka ny antsasamanila amin’izany dia vehivavy liana amin’ ny fanofanana arakasa ahafahany mahaleo tena sy manampy ny fidiram-bola ao an-tokantrano.

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny EPP Andafiatsimo, Cisco Antsirabe I, ny sabotsy lasa teo. Ahitana efitrano fianarana miisa 12, mpianatra miisa 370 hiandraiketan’ny mpampianatra miisa 10, birao, famakiam-boky, trano fidiovana, toeram-pisakafoana, efitrano lehibe ary kianja filalaovana baolina kitra ity fotodrafitrasa vaovao ity.

Partager sur: