Naiditra am-ponja afakomaly any Betroka ny telo lahy nikasa hangalatra basy tao amin’ny tokantrano iray. Notapahin’izy ireo ny lohan’ny vehivavy tompon-trano. Voalaza ho sakaizan’ity lasibatra ny iray tamin’ireo olon-dratsy.
Naiditra vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Betroka, ireo telo lahy 19, 28 ary 29 taona, rehefa avy niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana, afakomaly. Tompon’antoka tamin’ny famonoana sy fanapahana ny lohan’ny renim-pianakaviana (36 taona) tany Tsaraitso, Betroka, ny alin’ny 27 hifoha 28 janoary lasa teo izy ireo. Fikasana hangalatra basy ny antony nahatonga azy ireo nanao izao vono olona feno habibiana izao, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny CSP Betroka, OPP Octave Randriamanantena. Sakaizan’ilay vehivavy namoy ny ainy ny iray tamin’ireo nahavanon-doza, raha ny fanazavana. Nanapaka ny lohan’ilay renim-pianakaviana ny iray tamin’izy ireo, raha nitazona ny tanany sy ny tongony kosa ny roa hafa. Nalain’izy ireo, nandritra izany, ny findain’io ramatoa lasibatra io. Taorian’ ny asa ratsiny, niverina tany an-tranon’ilay niharam-boina ireo olon-dratsy haka ny basy, saingy nihidy avy any anatiny ny varavarana ka tsy nahazo na inona na inona.
Tsiahivina fa hita faty tany amin’ny 100 metatra miala ny tanàna, amoron-dalana mankany an-tanimbary, ny vatana mangatsiakan’io vehivavy io, ny marain’ny 28 janoary. Efa voatsindrona antsy ary vozona kely sisa no nihazona ny lohany. Tany amin’ny 7 km miala ny tanànan’i Betroka ny toerana nitrangan’izany. Nampandre ny polisim-pirenena avy hatrany momba ny tranga ny fokonolona. Tonga teny an-toerana izy ireo niaraka tamin’ny mpitsabo. Natolotra ny fianakaviana ny razana taorian’izay.
Sakaizan’ny maty ny olon-dratsy iray
Raha ny angom-baovao voarain’ny polisy nanao famotorana, noahiahin’ny zanany ho nahavanon-doza ny lehilahy iray sakaizan’ilay maty. Mbola nisy niantso tamin’ny finday ity vehivavy nisy namono ity ny 27 janoary, tokony ho tamin’ny 9 ora alina tany ho any. Tsy niverina intsony anefa izy taorian’izay, ary izao hita faty teny an-tanimbary izao. Natao ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy taorian’ny fizahana ny razana. Hita nankany amin’ny kaominina Naninora ny dian’izy ireo. Nipetraka tao amin’io tanàna io ilay sakaizan’ilay ramatoa. Nosamborina avy hatrany ity farany ary nanaovana fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny polisy. Nisy ihany koa ny fisavana finday natao ary ity farany no niantso ilay ramatoa tamin’ny alina talohan’ny tranga. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy azy, niaiky ny heloka vitany izy ary nanondro ny namany roa hafa, izay niray tsikombakomba tamin’ny asa ratsiny.
Mino




