TSELATRA

Saron’ny zandary sy ny tomponandraikitra tao amin’ny kaominina ambanivohitra Fierenana, omaly, ny iray tamin’ireo gadra nitsoaka tany amin’ny fonjan’i Moramanga, ny sabotsy teo. Fararano Gilbert Velojaona Velomaro, anisan’ireo voafonja tafaporitsaka ny tenany. Misazy asa an-terivozona mandra-pahafaty izy nanomboka ny volana mey 2018. Halatra mitam-piadiana sy fikambanan-jiolahy no antony hanenjehana azy. Telo lahy izay ireo gadra tafaverina am-ponja amin’izao.
Lehilahy iray mbola tsy voatsara no maty tany am-ponjan’Antanimora, ny sabotsy 31 janoary 2026 lasa teo. Raha ny fanazavana avy amin’ny reniny, naiditra am-ponja vonjimaika io namoy ny ainy io, nanomboka ny taona 2016. Tsy mbola voatsara anefa izy ary izao maty izao. Manao antso avo amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny fitondram-panjakana moa ny fianakaviany.

Partager sur: