Tsy sakaizan’ny loto  

Aleo mba hiresaka fanabeazana ho olom-pirenena vanona, anio, anatin’ity fifampizarana ity. Manaitra hatrany ny mahita ilay andavanandron-dRamalagasy, mikororoso any amin’ny fahantrana lalina isan’andro. Tsy misy fiantraikany tsara any anivon’ny tokantrano aloha hatreto ny fanavaozana sy fanovana teo amin’ny sehatry ny politika. Tsy hita ny vokatry ny fanoloana mpitantana.
Tsy hanomezan-tsiny ny mpitondra fanjakana mihitsy anefa izany. Antony: inona tokoa no hidirany amin’ny korontana sy ny fitiavana miaina anaty loto eo anivon’ny tokantrano tsirairay? Tsy ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repobli­ka na ny Primatiora mihitsy kosa no miteny ny isam-batan’olona hoe ario eny amin’ny arabe ny tavimandry na totofy amin’ny fako ny lakandrano?
Fomba fisaina sy fiaina tokony handeha ho azy izany. Tsy ny fahantrana mihitsy no hialokalofana amin’ny havoretrana. Mazava be anefa fa tsy misy fandrosoana na andro mihiratra ho an’ny olona milomano anaty loto. Na ny soa aza milefa vao maheno fofona sy mahita ny diky mitsikafonkafona etsy sy eroa. Manginy fotsiny ny zaoridira mampanainga zipo anaty fotaka.
Tsy ny hitanisa izany, efa iaraha-mahita sy miaina, akory no hatao etoana, fa handeha mba hifanentana hiala amin’ny raha efa tsy manjary. Antoky ny fahasalamam-bahoaka, izay fototry ny fampandrosoana, ny fahadiovana. Samia mba mifanentana ny isam-baravarana sy ny mpifanolobodirindrina. Tsy misy iraharahian’ny mpanao politika izay fijaliana azo sorohana izany.
Ny fisainana no mila fanavaozana goavana eto Mada­gasikara. Ny fomba fiaina no mila fanovana. Miainga amin’ny isam-batan’olona vonona ny hanatsara sy ho sarotiny amin’ny mahakasika azy. Tsy ny hafa mihitsy no hisahirana rehefa mbola tsy tonga saina ny olona voakasika. Mba mahalala madio!

r.r

Partager sur: