Banky foiben’i Madagasikara : Mampiasa vola 20 000 Ar ny 70% ny eto amintsika

Ampy tsara ny tahiry vola vahiny ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Be mpampiasa indrindra eto amintsika ny lelavola 20 000 Ar.

Tsy nampoizina! Sahirana ny rehetra tamin’ny fo­toana namoahana voalohany ny lelavola tokana, 20 000 Ar, tamin’ny taona 2017. Sivy taona aty aoriana, nilaza ny go­vernoran’ny Banky foiben’i Ma­dagasikara (BFM), Andrianari­velo Aivo, fa tsy araka izany intsony ny zava-misy, satria ny lelavola 20 000 Ar no tena ampiasain’ny 70% ny olona eto Madaga­sikara, amin’izao fotoana izao amin’ny fifananakalozam-bola sy varotra samihafa. Midika izany fa mitombo ny vola kirakiraina sy mivezivezy, ka mi­hena ny fampiasana ny lelavola hafa, toy ny 10 000 Ar, ny 5 000 Ar, ny 2 000 Ar, ny 1 000 Ar. « … Na ny mpangataka aza efa tsy mandray 100 Ar intsony, … », hoy ihany ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara.
Na teo aza ny krizy politika teto amintsika, tamin’ny septambra 2025, tsy niantraika firy tany amin’ny toekarena ankapobeny izany. Hanamari­nana izany, nambaran’ny go­verno­ran’ny Banky foiben’i Madaga­si­kara (BFM), Andrianarivelo Aivo, fa mahatratra 4,3 miliara dolara ny tahiry vola vahiny ao amin’ny BFM amin’izao janoary 2026 izao. Ampy tsara mandritra ny enim-bolana io vola io, raha sanatria misy fahasahiranana mafy eto amintsika. Ni­tombo io tahiry io raha oharina ny tamin’ny herintaona izay nahatratra 3,2 miliara dolara.

Nihen-danja ny Ariary
Tondro manan-danja ny fisian’ny toekarena marindrano eto Madagasikara ny fisian’ny tahiry vola vahiny betsaka. Manome antoka ho an’ireo mpisehatra ara-toekarena eto an-toerana sy ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena izany.
Etsy ankilany, mitandrina mafy ny Banky foiben’i Mada­gasikara mandrindra ny fifanakalozam-bola eo amin’ny tsenam-bola. Satria nihen-danja ny Ariary miohatra amin’ny vola dolara (1 dolara = manodidina ny 4 500 Ar), ny euro (1 euro= ma­nodidina ny 5 200 Ar), ohatra.

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: