Harena an-kibon’ny tany : Maherin’ny 3 000 ny fanga­tahana fahazoan-dalana

Nampahafantarin’ny Biraon’ny kadasitra momba ny harena an-kibon’ny tany (BCMM), ny alatsinainy 2 febroary teo, fa misokatra ankehitriny ny fikirakirana sy ny fandinihana ny fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Maherin’ny 3 000 ny fahazoan-dalana efa nanao fangatahana, voarakitry ny BCMM nanomboka ny taona 2009, fotoana nampihantonana azy hatramin’izao. Misy amin’ireo mangataka fanavaozana ny fahazoan-dalana, ao ireo hanova satam-pihariana. Koa, ireo no ho kirakiraina aloha, izay vao miditra ho an’izay hangataka vaovao.
Misy karazany roa ny fahazoan-dalana hitrandraka. Ny ho an’ny mpitrandraka madinika (Prea), natokana ho an’ny Ma­la­gasy, dia andoavana 1 tapitrisa Ar/carré minier (39 ha). Fa­haroa, ny fahazoan-dalana hitrandraka (PE) ho an’ny mpitrandraka salantsalany sy ireo mpampiasa vola vaventy, Malagasy na vahiny.
Mampahafantatra ny BCMM fa mila miomana dieny izao ireo vao hangataka fahazoan-dalana vaovao. Satria, hisy ny fampiofanana sy fotoana fampahalalam-baovao izay hatao tsy ho ela. Tanjona ny hisitrahan’ny mponina eny ifotony ireo tombontsoa azo amin’ny fitrandrahana.

Njaka A.

Partager sur: