VAOVAO TAMBATRA

Mitsahatra avokoa ny fanampiana ara-tsakafo ho an’i Madagasikara ho an’ity taona ity. Hanano­sa­rotra ny famatsiana ny tokantrano marefo, indrindra ireo traboina noho ny loza voajanahary. Miantso fampiroboroboana ny famokarana eto an-toerana ny sehatra tsy miankiana hanampiana ny mpiray tanindrazana sy hanohanana ny orinasa malagasy.
Voatazona ho 12% ny “taux directeur”, mba hitazomana ny fiakaran’ny vidim-piainana ho 5% sy hitsinjovana ny toekerana. Manodidina ny 7,2% ny vidim-piainana eto Madagasikara ny volana desambra 2025 raha toa ka efa tafakatra 9,5% ny volana janoary 2025.

Partager sur: