Aretina Mpox : Saropady ny zaza sy ireo misy VIH/Sida

Nitondra fanazavana ny dokotera mpitsabo manokana ny zaza, Rasoanirina Marysia Raissa, fa mafy kokoa ny fitrangan’ny aretina Mpox amin’ny zaza raha oharina amin’ny olon-dehibe. Mifindra amin’ny zaza sy ny ankizy amin’ny alalan’ny fifampikasohana matetika na ny piti-drora na fifandimbiasana lamba, toy ny akanjo, servieta, bodofotsy…
Raha vao taraiky ny fandraisana an-tanana ny zaza dia misy ny fahasarotana. Voakasik’izany ireo zaza latsaky ny herintaona sy ireo zaza tsy tonga volana ary ireo tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Tena sarotiny ary marefo indrindra koa ka iharan’ny fahasarotana raha tratran’ny aretina ireo zaza mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida.
Tohizana hatrany ny fampinonoana na feno fery aza ny vatany fa rakofana tsara ny fery tsy hifindra amin’ilay reny. Raha sanatria ka marary ny reny na misy fery eo amin’ny nono dia tsy tokony hampinono mihitsy fa mampiasa biberon.
Manavy be ilay zaza, mety hisy fivontosana, marary an-doha, reraka, mihena ny fahazotoana misakafo, mety hisy fery manomboka amin’ny tarehy ary miitatra amin’ny vatana manontolo izany.
Mety hampifanintona ny zazakely ny aretina rehefa miakatra any amin’ny loha. Hanempotra azy ihany koa raha mankany amin’ny tratra. Ny zaza latsaky ny herintaona dia mety ho very rano be rehefa mihena ny fisakafoany ka mety hitarika amin’ny fahafatesana.
Amin’izao fotoanan’ny valanaretina izao, ny fisorohana no tsara indrindra, hoy hatrany ny dokotera. Tsy mifampikasokasoka amin’ny marary.

Tatiana A

Partager sur: