Ao anatin’ny fiatrehana ny voina, ilaina ny fahaizana miatrika sy mandrindra ny fanampiana ho an’ny mpiara-belona. Midina an-tsehatra eny ifotony ny mpiasan’ny minisiteran’ny Paositra sy ny haitao ara-kajy mirindra manangona ny mombamomba ireo traboina rehetra, ahafahana manome anjara sahady ireo niharam-boina ho fanohanana miaraka amin’ny ekipan’ny BNGRC. Iandraiketan’ny mpiasan’ny minisitera ny fanangonana ireo antontanisa samihafa ary manohana ny orinasa Orange Madagascar tamin’ny fampitaovana box 30 sy connexion internet maimaimpoana ahafahana manavao ny antontanisa sy antontan-kevitra hanamora ny asa mifototra amin’ny maha olona, araka ny fanazavan’ny tale kabinetran’ny minisitera, Rakotoarivonona Njivatiana, omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC Andrainarivo. Ankoatra ny fanomezana fitaovana, mitondra fanampiana mivantana ho an’ny traboina koa ny Orange Madagascar taorian’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo. Hetsika efa fanao isan-taona ny tahaka izao. Nanolotra vary milanja 15t, voamaina 3t, savony sy labozia koa izy ireo, omaly ho an’ireo olona tena sahirana, very fananana sy rava trano taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Fytia. Hiarahana amin’ny BNGRC ny fizarana ny fanampiana amin’ireo toeram-pandraisana efa napetraka, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra avy amin’ny Orange.
Vonjy




