Ady amin’ny Mpox : Nanolotra fitaovana ny Mercy Ships

Hanamafisana ny ady amin’ny valanaretina Mpox, nanome fitaovana hampiasaina eny amin’ny toerana mandray an-tanana ny mararin’ity aretina ity ny Mercy Ships.
Mitondra fanantenana sy fanasitranana ho an’ny marary no tarigetran’ny Mercy Ships ka izany indrindra no hitondrany tolo-tanana hiadiana amin’ ny aretina Mpox.
“Mpiara-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny Fahasala­mana izahay ary manana adidy amin’ny ady amin’ny valanaretina”, hoy ny tomponandraikitra. Efa hatramin’ny taona 2016 no nanombohany niasa teto Madagasikara.
“Ireo mpiasan’ny fahasalamana miasa eny amin’ny hopitalim-panjakana no mikarakara ny mararin’ny Mpox. Hanampy betsaka ny fahatongavan’ny fitaovana”, hoy ny tale jeneralin’ny fampitaovana sy ny fahasalamana ao amin’ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka. Antananarivo sy Mahajanga no hisitraka voalohany ny fitaovana avy amin’ny Mercy Ships satria ireo no toerana be marary indrindra, raha ny fanazavana. Manamafy ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka ny fampitaovana toy izao ary manamafy ny rafitry ny fahasalamana misy eto Madagasikara.

Tatiana A

Partager sur: