Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany, omaly maraina, nahitana tanan-jazakely nitondra labozia teo Bemasoandro Itaosy. Mbola nahitana tongotra, notaritarihin’ny amboa tsy lavitra teo.
Tapaka tanana sy tongotra hitan’ny fokonolona teny Ampasika Atsimo, fokontany Anosimasina, kaominina ambanivohitra Bemasoandro, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, omaly maraina tamin’ny 6 ora sy sasany. Renim-pianakaviana monina eo an-toerana hivoaka ny trano vao maraina no nahita voalohany ny tanan-jaza iray sy labozia. Nampandre avy hatrany tamin’ny mponina manodidina io ramatoa io. Niantso ny mpitandro filaminana izy ireo. Nijery ny zava-nisy ny zandarimaria eo anivon’ny zana-tobim-paritra Bemasoandro Itaosy. Nifanindry an-dalana tamin’ny fanatontosana ny fanadihadiana izy ireo kanjo nilaza tampoka ny olon-tsotra hafa fa misy alika mitondra tongotr’olona efa tapaka. Nanamarina ireo trangan-javatra miisa roa samihafa ireo ny mpitandro filaminana. Nifanenjehina ilay alika. Azo teny aminy ny tongotra zazakely manodidina ny 6 taona eo ho eo, araka ny tatitry ny zandary nanao ny fanadihadiana.
Natao tamin’ny toerana iray
Nalaina io ilan-tongotra sy tanana efa tapaka io ary natambatra tamin’ny toerana iray. Nanadihady ny mponina manodidina ny zandary raha toa ka misy fianakaviana very zaza teny amin’ny kaominina Bemasoandro. Nanda avokoa anefa ny ankamaroan’ireo sendra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana. Tsy fantatra mazava, araka izany, ny nipoiran’ireo tanana sy tongotra tapaka ireo. Na izany aza, niroso tamin’ny fanatanterahana ny asany ny mpitsabo eo anivon’ny CSBII ao Bemasoandro ary natolotra ny fokontany Anosimasina ireo rantsam-batana ireo taorian’ ny fitiliana. Mampanontany tena ireo mpanara-baovao eny an-toerana ny antony nahatonga ilay labozia teo akaikin’ny iray tamin’ireo rantsam-batana ireo tamin’ny fotoana nahitana azy. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.
Tsiferana R.




