TSELATRA

Vehivavy manodidina ny 40 taona hita faty tao anaty alan’akondro, tao amin’ny fokontany Tanambao, kaominina Fianarantsoa, omaly. Mangana ny rantsan-tanan’io ramatoa io.
Ankizilahy 15 taona maty nipoahan’ny gaz tao Ampoara, fokontany Mangatany, kaominina Arivoni­mamo, omaly atoandro. Nipitika tampoka teny aminy io gaz io nandritra ny soudure nataona mpiasa hafa.
Lavon’ny balan’ny zandary i Dama, dahalo raindahiny sady mpangalatra omby tao amin’ny faritra Ta­lata Vohimena, Fenoarivo, hatrany Ambatofinan­dra­hana. Nan­dositra ny zandary hisambotra azy izy ka voatifitra, omaly.
Ramatoa 70 taona nodarohan’ny jiolahy rehefa tsy nahazo na inona na inona ireto farany, tao amin’ny Cité Jardin, Toamasina, afakomaly. Nofatorana io ramatoa io ary notapenana ny vavany.

Partager sur: