Banky Foiben’i Madagasikara : Voatazona ho 12% ny tahan’ny zanabola fototra

Mitazona ny tahan’ny zanabola fototra (taux directeur) ho 12% ny Banky foiben’i Madagasikara, araka ny tapaky ny Kaomity misahana ny politika ara-bola. Fepetra izay heverina ho mifanaraka amin’ny tanjona fitoniana eo amin’ny vidim-piainana sy hanamafisana ny toekarena.

Nivoitra tao anatin’ny fam­­pahafantarana na­taon’ ny BFM, afakomaly, fa nihena ny vidim-piainana eto Madagasikara. Nidina ho 7,2 % izany tamin’ny volana desambra 2025, raha 9,5 % kosa tamin’ny volana janoary 2025. Nanamaivana ny tsindry ny fi­dinan’ny vidin’entana eo amin’ ny tsena iraisam-pirenena, indrindra ny vary sy ny solika, ary koa ny fanamafisana ny politika ara-bola izay efa na­tomboky ny BFM. Nilaza ny governoran’ny BFM, Andria­narivelo Aivo, fa « tokony ha­nana paikady ny fanjakana amin’ny hamatsiam-bola ny fotodrafitrasa izay mipaka mi­vantana amin’ny toekarena ». Antony mahatonga ny Banky foibe mitazona io tahan-janabola io ho 12%. Misy, hoy izy, ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE), saingy mbola anatin’ny fitadiavana ireo ainga hanamafisana ny toekarena miaraka amin’ny sehatra tsy miankina ny fanjakana. Araka izany, heverina tsy mbola hidina ny tahan-janabola fototra raha tsy misy ny sori-dalana mazava sy paikady hanaingana ny toekarena mba hahafahan’ny BFM manampy ny sehatra tsy miankina.

Harin-karena

Vinavinaina hidina ny vi­dim-piainana ho an’ity taona ity noho ny fidinan’ny vidim-bokatra fototra. Na izany aza, mbola ahina ny hiakaran’izany manoloana ny lalan’ny tolotra sy ny tinady. Manampy izay ny tsy fahampian’ny fama­tsiam-bola ho an’ny fotodrafitrasa hanohanana ny toeka­rena. Ny taona 2025, manodidina ny 3,4% ny fitombon’ny harin-karena teto Madagasi­kara noho ny firoborobon’ny varotra sy ny tolotra ataon’ireo orinasa vaventy. Heverina mbola hitohy mandritra ity telo volana voalohan’ny taona 2026 ity izany, araka ny tatitry ny BFM hatrany.
Eo amin’ny sehatry ny fifanakalozam-bola, nahazo aina ny Ariary manoloana ny euro sy ny dolara, ny volana janoary teo. Niakatra ihany koa ny tahirim-bola vahiny eo anivon’ ny BFM izay nahatratra ha­trany amin’ny 3,6 miliara dolara izay mitovy sanda amin’ny fanafarana entana manditra ny fito volana. Notsindrin’ny governora fa « tahiry fiaro­vana ireo vola ireo raha sendra misy olana ara-toekarena fa tsy natao hamatsiana mi­vantana ny tsena akory ».

Henintsoa

Partager sur: