Depiote Razakandrainy : “Aleo handeha ny fifidianana”

“Aleo handeha ao anatin’ny fangaraharana sy ny ara-dalàna ny fifidianana. Ho hita eo ny mandresy. Vonona hiatrika fifidianana izahay, rehefa tonga ny leran’ny fifidianana”, hoy ny depiote voafidy tany Sakaraha, Razakandrainy Henri Dominique, manoloana ny fijoroan’ny Vovonana Lera. Ny tsy mety sy voizin’ny Lera: ny fitsanganan’ny andrimpanjakana ara-dalàna ao anatin’ny lalàmpanorenana: ny HCC sy ny Ceni.
Angaha ny filohan’ny Repoblika ihany no manendry ny mpikambana amin’izany? Angaha ny maro anisa ihany ny manendry ny mpikambana amin’ny Ceni? Misy lalàna mifehy ny fananganana an’
ireo. Koa teren’ny mpanohitra izany ny fanjakana handika lalàna hoe ravao? Fifidianana izao. Tsy misy mahadiso an’iza na iza mikaro-kevitra hahatongavana eo amin’ny fahefam-panjakana amin’ny alalan’ny fifidianana.

Tsy nahomby ny fomba fanoherana hatramin’izay

“Tsy mahagaga intsony amin’izao ny momba ny Lera. Akaiky ny fifidianana. Mamo­rona zavatra hafa indray ny mpanohitra. Tsorina fa tsy nahomby ny fomba fanoherana hatramin’izay”, hoy izy. Natsangana avokoa ny rafitra rehetra enti-manohitra: ny fikaonandoham-pirenena, ohatra. Inona no niafarany? Zavatra ara-dalàna no toherina: ny HCC, ny Ceni. Fa tsy adihevitra hoe: inona no tena foto-kevitra hampandrosoana ? Tonga indray izao ny hoe “Lera”. “Lera” amin’ny ino­na? Tsy misy mahagaga izany, fa fomba fiady politika handrebirebena vahoaka io.
Mitodika amin’ny vahoaka aho hoe: aoka isika hitandrina amin’ny fomba fanaovana politika. Ho avy ny fifidianana ka mahavita manao soso-kevitra vaovao hahatsara ny firenena ireo mpanohitra. Efa teo avokoa ireo. Iza no tsy tao amin’ireo ao amin’ny vovonana Lera ka hilaza zavatra tsara sy vaovao amin’izao fotoana izao?

R. Nd.

Partager sur: