VAOVAO TAMBATRA

Vita ny tetezana Andriambavirano, amin’ny lalam-pirenena faha-4, PK 502. Mahazaka lanja 44 taonina ity tetezana ity, araka ny fenitra eto amintsika
sy toy ny amin’ny lalam-pirenena rehetra. Natao ny
4 febroary teo ny andrana teknika, manome antoka ny filaminana sy ny fahamarinan-toeran’ny fifamoivoizana ho an’ny mpampiasa lalana rehetra. Hentitra ny fana­raha-maso ny fanajana io fetran-danja io mba hampaharitra ny fotodrafitrasa.

Manohana ny tantsaha hanatsarana ny fomba famokarana ny tetikasa SHEP, mivondrona ao anaty fiaraha-miasa japoney Jica. Fomba entina hanatsarana ny fahaiza-manao, hampivoarana ny famokarana sy ny fidiram-bola izany. Maharitra 5 taona (2023-2028) ny tetikasa, ary efa hita taratra sahady ny vokatra azo aty amin’ny antsasaky ny fe-potoana. Hisy ny fampitao­vana sy fanorenana fotodrafitrasa ara-pamokarana.

Mikendry ny fanamafisana ny fifampitokisan’ ny fanjakana sy ny mpandraharaha ny Fadintseranana malagasy. Hihaino ny zava-misy eny ifotony sy hamolavola vahaolana ny fiaraha-miasa. Hampiroborobo ny fampiasam-bola isam-paritra. Anisan’ny nasongadin’ ny tale jeneralin’ny Ladoany, Randrianjafy Antoine ireo, nandritra ny Dinika isam-paritra ho fanaingana ny toekarena, natao tany Mahajanga, ny herinandro lasa teo.

Partager sur: