Tontosa ny tolakandron’ny talata 07 febroary 2023, teny amin’ny Lapan’ny fitsarana, Anosy, ny raharaham-pitsarana naha voampanga an’i Rahajason Harry Laurent na Rolly Mercia. Ny talata 14 febroary 2023 no hivoaka ny didim-pitsarana mahakasika ity raharaha ity, araka ny nambaran’ny mpitsara.
Niverina niakatra fitsarana izy, niatrika ny raharaham-pitsarana naha voampanga azy tamina heloka fijoroana vavolombelona tsy marina sy fanamelohana manevateva. Naharitra ora iray sy sasany ny raharaham-pitsarana. Tao anatin’izany no nihainoana ny fiarovan-tenany sy ny mpisolovava azy. Nitondra ny fehiteniny sy ny vontoatim-pitoriana kosa ny avy amin’ny ankilany izay nandefa ny mpisolovava azy. Nandritra izany ity farany no nametraka fanontaniana tamin’ny voapanga. Namarana ny fotoana ny mpitsara.
Nandà hatramin’ny farany ny fiampangana azy i Rahajason Harry Laurent. Marihina fa mbola misy teratany vahiny miaraka voarohirohy aminy amin’ity raharaha ity.
Lin (Mpianatra asa)