Mitam-basy sy misaron-tava : Jiolahy miiasa 11 mampihorohoro tanàna

Hifampitadiavana ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ireo jiolahy 11 nandroba sy nampihorohoro teny Ambohimanjaka-Mahitsy, afakomaly alina. Namaky loha sy nandroba raim-pianakaviana izy ireo.

Vaky loha noho ny daroka nandritra ny fanafihana nataon’ny jiolahy miisa 11 ny raim-pianakaviana iray ao amin’ny kaominina Ambohimanjaka-Mahisy. Mbola voaroba ihany koa ny volany an-tapitrisa, ny alarobia alina nifoha alakamisy teo. Nolavahan’ireo tsy valahara ny rindrin’ny trano. Nampiasa herisetra tamin’ny tompon-trano ry zalahy vao tafiditra tao an-trano. Tao Ankadie­fajoro, fokontany Andranoma­sina, kaominina Ambohiman­jaka-Mahitsy no nisehoan’izany, tamin’ny misasakalina.
«Tsy nisy nisaron-tava ny jiolahy ankoatra ny olona iray. Nitana basy ny roa tamin’ireo mpanao ratsy», hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ma­hitsy. Nitaky ny vola izy ireo, araka ny angom-baovao. Tsy afa-nandositra tao amin’ny tokantranony sady toeram-pivarotany ilay ankohonana lasibatra. Tsy namelan’ireo tsy mataho-tody raha tsy azony ny vola. Noraofin-dry zalahy ny finday miisa dimy an’ny olona tao an-tokantrano. Voadaroka mafy teo amin’ny lohany ilay raim-pianakaviana ka vaky ny lohany.

Vola an-tapitrisa
Araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny tomponandraikitra misahana ny famotorana, norobain’ny jiolahy ny vola 1 000 000 Ar mahery. Sady nanapoaka basy ny olon-dratsy no nandositra rehefa nahazo ny vola. Nanao ny fanarahan-dia ny ekipan’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Mahitsy taorian’ny antso an-telefaonina voarain’izy ireo. “Enin-dahy niampy ireo efa-dahy avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Imerimandroso no nanao ny fanarahan-dia”, hoy ny zandary ao Mahitsy.
Tafaporitsaka ny olon-dratsy noho ny fahasarotan’ny fanarahan-dia tao anatin’ny haizaina sy ny lalan-dratsy. Nandositra nihazo ny kaominina Ambato, distrikan’Ambohi­dratrimo, izy ireo, araka ny loharanom-baovao farany. Misy ny fiaraha-miasa eo anivon’ny zandarimaria amin’ny kaominina manodidina ahafahana ma­mantatra sy misambotra ireo jiolahy.

Tsiferana R.

Partager sur: