TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, omaly, ny roa lahy nangalatra moto teny Soavina, ny herinandro teo, taorian’ny niakaran’izy ireo fampanoavana. Voasambotry ny polisy teny Mahavoky Besarety, ny 01 febroary 2026 lasa teo ny iray. Tratra tetsy Ankadifotsy ny ampitson’io kosa ny iray hafa. Mbola tratra teny aminy ilay moto halatra.

Olona fito voasambotry ny zandarimariam-pirenena noho ny vono olona nitranga tao Nosy, ny volana janoary lasa teo. Nandray anjara mivantana ny sasany, niray tsikombakomba tamin’ny asa ratsy ny hafa. Raha tsiahivina, olona telo namoy ny ainy voatsatoka antsy tany an-toerana, ny faran’ny volana janoary lasa teo. Nihatra ny «couvre-feu» taorian’izay ary natao ny fikarohana ireo olon-dratsy ka izao tratra izao.

Partager sur: