Toy ny isam-bolana, niova ny vidin-tsolika nanomboka omaly. Nitombo 190 Ar isaky ny litatra ny gazoala (GO) sy ny solitany fandrehitra (PL), raha nihena ny tamin’ny volana janoary. Lasa 4 860 Ar/l raha 4 670 Ar teo aloha ny vidin’ny gazoala. Nisondrotra ho 3 710 Ar/l ny vidin’ny solitany fandrehitra, raha 3 520 Ar/l tamin’ny janoary 2026. Nitombo 130 Ar kosa ny lasantsy (SP 95), ka lasa 5 100 Ar/l raha 4 970 Ar/l teo aloha.
Nanazava ny ao amin’ny Ofisy malagasy misahana ny akoranafo (OMH), fa antony roa no mahatonga ity fisondrotana amin’ity volana febroary ity. Voalohany, mihen-danja ny sandam-bola Ariary miohatra amin’ny vola vahiny dolara, ividianana ny solika any ivelany. Faharoa, niakatra ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Tsiahivina fa nampiharina nanomboka ny janoary 2025 ity fanovana ny vidin-tsolika ity, mifanaraka amin’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Antony tsy hanampian’ny fanjakana vola intsony ny elanelam-bidy. Tsy afaka mihoatra ny 200 Ar/l ny fanovana ny vidin-tsolika, ampiakarina na ampidinina, araka ny fifanarahana amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), mba tsy hiantraika be amin’ny vidim-piainana.
Njaka A.




