Mandroso tsara ny orinasam-panjakana Sirama SA. Mampanofa ny fitantanana (Location gérance) amin’ny orinasa sinoa ny Sirama, ka voakasik’izany ny ozinina any Ambilobe sy Namakia. Nohazavain’ny tale jeneraly (DG), ny jeneraly Ramananarivo Mamy Emile, omaly, fa « ny fanarenana ny fitantanana no sahanin’ny Sirama, fa miandraikitra ny fampandehanana ny ozinina no ataon’ny orinasa sinoa ». Izany hoe, mandoa vola hofam-pitantanana amin’ ny Sirama ireo orinasa sinoa ireo.
Eo amin’ny fitantanana ara-bola ny orinasa, mandeha araka ny tokony ho izy izany. Mahatratra 3 miliara Ar ny tombombarotra tamin’ny taona 2022, raha 18 miliara Ar ny fatiantoka ny taona 2018. Mahatratra 17 miliara Ar ny vokatra ara-bola (Résultats Net), ary 100 miliara Ar ny vola mihodina (Trésorerie).
Tsy ampy 150 000 t/taona ny filana eto Madagasikara
Mamokatra siramamy 100 000 taonina isan-taona ny eto Madagasikara. Mamokatra 70 000 t/taona ny ozinina any Ambilobe, anisan’ny tsara indrindra hatramin’izay, ny taona 2025, ary 30 000 t ny any Namakia. Manodidina ny 250 000 t/taona anefa ny filana eto an-toerana, izany hoe, tsy ampy 150 000 t/taona, izay mila hafarana avy any ivelany. Vahaolana aroson’ny DG ny Sirama, ny hampitomboana ny ozinina, ny velaran-tany hambolena fary, ny fampiofanana sy fampitomboana ny mpiasa, ny angovo, sns.
Njaka A.




