VAOVAO TAMBATRA

Hisitraka ny Agoa hatramin’ny 31 desambra 2026 i Madagasikara ka mbola afaka manondram-bokatra tsy handoavana haba any Etazonia. Na izany, tandidonin-doza ny asa an’arivony, hitombo ny fahasahiranan’ny orinasa miankindoha amin’ny tsena amerikanina. Anatin’ny fikaonandoha maharitra ny delegasionina malagasy hijerem-bahaolana amin’ny zava-misy izay miantraika amin’ny toekarem-pirenena.

Andry iankinan’ny asam-panjakana ny fitantanam-bolam-panjakana. Tokony hamafisina ny vola miditra anatiny mba hampahaleo tena ny tetibolam-panjakana. Hafainganina ny fampiasana ny teknolojia hampahomby ny asa, hampanjakana ny mangarahara sy ny ady amin’ny kolikoly ary ny famotsiam-bola. Toko­ny hampiroborobona ny fitantanana tetibola eny ifotony sy ny fanapariaham-pahefana mba hanamafy ny fifandraisana isam-paritra. Nivoitra ireo nandritra ny dinika isaky ny sehatr’asa nataon’ny mpiara-miombon’antoka.

Tafakatra 2 400Ar ny kilaon’ny ovy eny an-tsena raha mbola novidiana 1 800Ar teo aloha. Mita­raina ireo tantsaha sy ny mpanjifa manoloana ny zava-misy ka mitaky ny hijerena manokana ny sehatry ny famokarana izay miantoka ny fanodinana ny toekarena sy ny andavanandron’ny tsirairay. Manao antso avo ihany koa izy ireo hanamboarana ny lalana izay miantoka ny fiakaran’ny vokatra an-tanàn-dehibe.

Partager sur: