Ravinala Airports : Novatsiana fitaovana ny zandarimaria

Hamafisina ny fitandroana fahalemana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Ma­noloana izany, nanolotra fitaovam-piasana sy kojakoja maro ho an’ny kaompanian’ny zandarimaria ao anatin’ny sera­nan’Ivato, ny orinasa Ravinala Airports, ny 3 febroary teo. Tanjona ny hiarovana ny fitaterana ana habakabaka ma­noloana ny tranga miseho tsy ara-dalàna samihafa. Hano­me­zana antoka ny mpandeha, ny mpiasa, ny mpampiasa ny seranam-piaramanidina ary hanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana ampiasaina eny an-toerana izany.
Nisy ny fiara 4×4 entin’ny zandary hanamafy ny fivezivezena, ny fisafoana ary ny fandraisana andraikitra haingana raha sendra misy ny ambana. Eo koa ny fametrahana ny tam­bajotra internet, hanatsarana ny fifandraisan-davitra, ny fahazoam-baovao niomerika, ny fandrindrana ny asa ara-niomerika sy ny fikirakirana ny antontam-baovao amin’ny informatika.

Fanatsarana ny kalitao
Nambaran’ny tale jenera­lin’ny Ravinala Airports, Daniel Lefebvre, fa fanehoan’ ny orinasa ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra omena ny mpandeha sy ny mpampiasa ny seranam- piaramanidina ity fiaraha-miasa amin’ny zandarimaria ity. Manamafy ny fanomezan-toky sy ny hananan’ny mpandeha fahatoniana ihany koa izany.
Tsiahivina fa efa miara-miasa hatrany ny Ravinala Airports sy ny zandarimaria hatramin’izay, ary izao nohamafisina izao indray.

Njaka A.

Partager sur: