Mankalaza ny faha-200 taona niasany ny trano printy FJKM Imarivolanitra amin’izao fotoana. Maro ny hetsika ataon’izy ireo mandritra izany. Hosokafana amin’ny fotoam-pivavahana eny amin’ny FJKM Faravohitra izany, ny 8 febroary izao.
Hatomboka amin’ny fanompoam-pivavahana fiombonana eny amin’ ny FJKM Tranovato Faravohitra ny fotoam-pankalazana, ny alahady 08 febroary 2026 ho avy izao. « Manomboka amin’ ny 02 ora sy 30 minitra ny fotoana, izay hanasana ireo manao ny asa printy rehetra », hoy ireo tomponandraikitra nampahafantatra ny hetsika tetsy Imarivolanitra, afakomaly. Ny alahady 21 jona 2026 amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, kosa ny ivon’ ny jobilim-pankalazana. Mitohy any amin’ny FJKM Salema Vaovao Taolagnaro izany, ny alahady 17 aogositra, ho fanokafana. Ny sabotsy 21 novambra 2026 amin’ny 9 ora sy sasany, ao amin’ny Paroisse iraisam-pirenena Andohalo ny famaranana ny fankalazana. « Sady fotoana hanaovana ny fitokanana ny tsangambato io fotoam-pamaranana io», hoy Rakotondrasoa Harijaona, mpitandrina sady filoha mpanampy ny kaomitin’ny fankalazana.
Tsy mionona amin’ny bokim-pinoana
Nahafahana nanohana sy nanapariaka ny fitoriana ny filazantsara teto Madagasikara ny trano pirinty. « Amin’ izao fotoana, tsy mijanona amin’ny fanontana ny boky mahakasika ny finoana fotsiny izy ireo fa azo atao eny avokoa rehefa resaka momba ny boky », hoy Randrianarisoa Herimanitra, talen’ny trano pirinty. Nambaran’izy ireo fa ezaka ho fanatsarana ny fitaovana ity taon-jobily ity mba hampiroboroboana ny asa tanterahina. Manodidina ny 4 tapitrisa ny boky navoakan’ny tranopirinty. Marihina fa anisan’ny trano pirinty voalohany teto Madagasikara izy ity.
Mino




