INDRAY MIJERY

Anisan’ny olona marefo sy mila fiarovana manokana amin’ny valanaretina Mpox ny voafonja. Nidina ifotony nanao fanentanana ny mpiasan’ny fahasalamana eo anivon’ny DRSP Anôsy, tamin’ity heri­nandro ity. Nitondra teny fankaherezana sy torolalana momba ny fomba fiarovan-tena amin’ny nendran-drajako ho an’ny voafonja izy ireo, hahafahana mandray an-tanana ny fahasalaman’izy ireo. Ho an’ny fianakaviana kosa, nampitaina tamin’ireo mpitsidika ny hafatra satria izy ireo no andry mpanohana lehibe amin’ny fifampia­rovana.

Fampitandremana mavo mahakasika ny renirano Ikopa sy ireo sampan’i Sisaony ary Imamba ho an’ny kaominina Tsiafahy, Androhibe, Antsahadinta, Bon­gatsara, Antanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Amba­zaha, Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoa­rivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana, Ampanga­be, Masindray, Ambohimanambola, Ambohijanaka, Alasora, Ankaraobato, Tanjombato, Soavina, Anosizato Andre­fana, Andranonahoatra, Bemasoandro, Ankadi­manga, Antananarivo IV, Iarinarivo, Sabotsy Name­hana, An­ka­dikely Ilafy, Ambohibao Antehiroka, Talata­maty. 4,02m ny haavon’Ikopa eo Bevomanga, raha 4,50 m ny fampitandremana mena.

Tanterahana ao Paris ny atrikasa hanamafisana ny fiantraikan’ny fanofanana arakasa miompana amin’ny sehatry ny niomerika. Anisan’ireo firenena afrikanina miteny frantsay miisa 10 miatrika izany i Mada­gasikara, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fam­piana­rana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny minisite­ran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Mandritra izany no nikarohana vahaolana hanamafisana ny fiantraikan’ ny fandaharanasa fanofanana D-Clic, hanatsarana ihany koa ny fahafahan’ny tanora mpianatra miasa avy hatrany.

Partager sur: