Nosamborin’ny zandary omaly ilay vehivavy nandoro ireo telolahy tany Tsarahonenana Sahivotry, kaominin’i Soanindrariny, distrikan’Antsirabe II, ny alarobia lasa teo. Namoy ny ainy daholo izy ireo, raha ny tatitra voaray tany an-toerana. Ahina ho tompon’antoka tamin’ny famonoana vehivavy iray bevohoka, hita faty tao an-tanànan’i Tsarahonenana, fokontany Sahanivotry, Soanindrariny izy ireo. Nolazaina fa maty nototoin’ny omby io olona hita faty io. Nodidina ny kibony, nanesorana ny mason’ ilay zaza tao an-kibo, raha ny valin’ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Tsiahivina, niparitaka be tamin’ny tambajotran-tserasera ny zoma alina teo, ny horonantsary mikasika iny fitsaram-bahoaka nahazo ireo telo lahy ireo. Nofatoran’ny olona tamin’ny tady, norarahana lasantsy ary avy eo nodoran’ny fokonolona velona izy ireo, nandritra ny horonantsary niparitaka.
Efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka izy telo lahy ireo, tamin’ny tapa-bolana, tany Tanambao, kaominina mifanila amin’i Tsarahonenana, distrikan’ Antsirabe II, fa tafatsoaka. Nosamborin’ny zandary izy ireo, ny talata lasa teo, ka notazomina natao andrimaso. Nitaky ny hamoahana azy ireo anefa ny fokonolona tany an-toerana ary nandrahona ny handoro ny biraon’ny zandary. Voatery namotsotra ireo voarohirohy ny zandary any an-toerana ka izao niafara tamin’ny fandorana velona izao.
Manameloka ny fitsaram-bahoaka tahaka izao, ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Nohamafisiny fa fandikan-dalàna ny fanapariahana horontsary maneho izany. Izay faizin’ny lalàna mifehy ny heloka ana habaka sy ny lalàna mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery.
Mino




