Fampiasana banky : Mbola ny 12% ny mpanjifa no misitraka

Ambany ny tahan’ny fampiasana ny banky (taux de bancarisation) eto Madagasikara. Mifandray sy mifampiankina ny andraikitry ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) sy ireo rafitra mpamatsy vola amin’ny fampiasana ny banky mba hipaka amin’ny mpanjifa ny tolotra.

Eo anelanelan’ny 10 ka hatramin’ny 12% ny tahan’ny fampiasana banky, raha banky irery no jerena. Raha ampidirina ao koa anefa ny rafitra famatsiam-bola madinika (microfinance) dia manakaiky ny 20 % izany. Araka ny nambaran’ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), Andri­anarivelo Aivo, « mihoatra noho ny fanokafana kaonty tsotra ny tanjona. Tsy ny fampidirana amin’ny banky fotsiny no asan’ny BFM, fa koa ny fanamafisana sy fananganana ho rafitra matihanina ny microfinance”. Amin’ny lafiny fampiharana, miara-miasa ny banky lehibe sy ny rafitra microfinance mba hipaka amin’ny mpanjifa farany madinika ny tolotra omena, na olon-tsotra io na mpandraharaha madinika. “Ny microfinance no manao be indrindra amin’ny fanabeazana ara-bola sy manome tolotra madinika. Rehefa mitombo tsikelikely ny asan’ireo mpanjifa ireo dia miakatra mankany amin’ny banky izy ireo”, hoy ny fanazavan’ny governora. Ilazany fa mifampiankina ha­trany ny asan’ny banky lehibe sy microfinance.
Mifampiankina

Ireo fikambanana madinika mpanangom-bola ifanampiana (mutuelles d’épargne), amin’ny ankapobeny, no mi­voatra ho lasa microfinance. Ireo microfinance mihamatanjaka indray avy eo no miroso mankany amin’ny sehatry ny banky. Misy kosa anefa ireo mijanona ho rafitra microfinance lehibe. “Efa manana habe goavana ny rafitra toa an’i Cecam, PAMF na Acep”, hoy Andrianarivelo Aivo, sady nanamarika fa manolotra fiantohana ho an’ny mpanjifany mihitsy aza ny Acep. Name­traka tsena ifanakalozan’ny microfinance ihany koa ny BFM. “Raha misy rafitra iray tsy ampy vola miodina dia afaka mindram-bola amin’ny rafitra hafa izy ankehitriny”, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Hatramin’izay dia ny banky no namatsy vola ny microfinance, izay nampindrana indray izany tamin’ny mpanjifa. Antenaina hanalefaka ny fifanakalozana sy hampihena ny zanabola ny rafitra vaovao.

Henintsoa

Partager sur: