Profesora Andrianaivotseheno Ravaka : « Tsy eken’ny lalàna ny fanaovana fitsaram-bahoaka… »

Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao ny momba ilay raharaha fitsaram-bahoaka tao Soanindrariny Antsirabe, ny zoma teo.

Manoloana ity raharaha mampihoron-koditra ity, nitondra fanaza­vana ny eo anivon’ny Mpiahy an-drariny, mpiaro ny zon’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny mpitarika izany, ny Profesora Andrianaivotseheno Ravaka Vonimbola. Nambarany fa ma­nan-kasina ny aina amin­tsika Malagasy. Nampin­dra­mina ny aina fa tsy antsika. Noho izany, mijoro ny mpiahy ny rariny fa tsy eken’ny lalàna ny famonoana olona na inona na inona antony. « Efa misy an-tanan-tohatra napetraky ny lalàna afaka misahana ny fanenjehana olona nanao fandikan-dalàna. Eo koa ny fahefam-pitsarana. Tokony homen­­tsika lanja hatrany ny fitsarana raha misy trangan-javatra anenjehana olona », hoy ny fanazavan’ny Profesora Andri­a­naivotseheno Ravaka. Nam­barany fa tsy manan-jo hisolo toerana ny andraikitry ny fitsarana ny olona tsirairay avy. Nohitsiny fa tsy azo ekena ny fitsaram-bahoaka sy/na fanaovana fitsaram-bahoaka fa ny fitsarana irery ihany no nomen’ny lalàna hanana fahefana hitsara sy hanameloka ireo olona heverina fa voarohirohy amina trangana fandikan-dalàna. Nitondra fampahatsiahivana ny teo anivon’ny mpiahy an-drariny, mpiaro ny zon’ny vahoaka fa na voaro­hirohy aza ny olona iray dia manana zo arovan’ny lalàna izy amin’ny maha olombelona azy. « Fiarovana ny zo maha olona izany fa tsy fiarovana ny heloka mety mahavoarohirohy azy », hoy izy. Nitodika tamin’ ireo mpampiasa tambajotran-tserasera facebook koa ny Profesora Ravaka Vonim­bola mba ho mailo amin’ny fampiasana izany satria mety hite­raka korontana sy savorovoro eo amin’ny vahoaka izany.

Jean Claude

Partager sur: