Lehilahy maty teny Ankadikely : Nolerana zava-maranitra ny fony sy ny ilam-peny

Nolerana zava-maranitra teo amin’ny fony sy ny ilam-peny ny lehilahy iray teny Ankadikely Ilafy, tamin’ny alahady alina. Nanomboka omaly ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana.

Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray vokatry ny tsatok’antsy intelo nahazo azy. Nitrangan’ izany ny teny amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, afakomaly alina. “Nahenoin’ny mponina manodidina tabataba tao ambadiky ny fiangonana Pro­tes­tanta Ankadikely, tokony ho tamin’ny 9 ora alina”, hoy Ratsimbazafy Rijasoa, rahalahin’ilay lehilahy namoy ny ainy. Nisy niantso tampoka tamin’ny finday ny fianakaviana taorian’izay. “Jereo any amin’ny hopitaly fa naratra mafy ny havanareo”, hoy ny fanazavan’io loharanom-baovao io. Nihazakazaka namonjy teny amin’ny toeram-pitsaboana ny fianakaviana saingy namantana vatana mangatsiaka.
Raha ny fampitam-baovao voangona teny an-toerana hatrany, voalaza fa manana sakaiza miasa ao amin’ny toeram-pisotroana iray fanta-daza eny Ankadikely ity lasibatra. “Hitsena ilay vehivavy ny rahalahinay no nisy nisintona tampoka ny finday teny aminy”, araka ny fanampim-panazavana. “Nanenjika ny olona naka ny findainy izy kanjo niharan’ny tsindron’antsy avy hatrany. Voan’ny zava-maranitra teo amin’ny fony sy ny ilan’ny feny izy”, hoy ny fanamafisan’ny fianakaviany. “Nahazo ny lalandra vaventy tamin’ny vatany izany ka nitarika ny fahamoizany aina”, hoy hatrany ny loharanom-baovao avy eny an-toerana. “Mbola hita nisy nanadio ny ra tavela tao amin’io toerana io, ny maraina”, hoy ny havan’ny maty. Manahy ireto farany fa efa nisy namono tany amin’io toerana io ilay havany talohan’ny fampandrenesana.
Atao famotorana
Manoloana ny zava-nitranga, voatazona eny amin’ny zandary, atao famotorana ilay vehivavy sakaizan’ny maty. “Tanjona ny hahafahana ma­mantatra ny marina. Misy olona maromaro rahateo voatazona ato aminay, ankehitriny. Anisan’izany ilay sakaizany”, hoy ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ankadikely.
Manjavozavo ho an’ny fianakavian’ny maty ny nahafaty ny havany. Mitaky ny hanaovana famotorana madio momba izay mety ho ahiahina sy tena nahavanon-doza izy ireo. “Vono olona raha teo no niseho ka tsy tokony ho vita mora. Tsy mahafantatra ma­zava ny isan’ny olona nahavita ny vono olona izahay, hatreto”, hoy ny rahalahin’ny maty.
Andrasana ny voka-panadihadian’ny zandarimaria.

Tsiferana R.

Partager sur: