Lasan’ny olon-dratsy ny ankamaroan’ny taolam-paty tao anatin’ny fasana miisa enina, ao Ambohimasina, fokontany Antanetibe, kaominina Analavory, ny alin’ny alahady hifoha omaly alatsinainy 9 febroary. Nokorontanin’ireo tsy valahara avokoa ny razana tao anatin’ireo fasana ireo. Fasam-bato ny dimy raha toa ka dongon-tany ny iray, araka ny loharanom-baovao. Mpandalo vao maraina hanatitra zezika tamin’ny sarety no nahatsikaritra ny fisiana fasana efa nisokatra, tamin’ny 5 ora maraina. Niantso ny tomponandraikitry ny fokontany sy ny tompom-pasana izy. Nanamarina ireto farany, lasan’ny tsy mataho-tody avokoa ny taolam-balon’ireo ray aman-dreny nahitana masoandro. Ankoatra io tranga io, fasana roa hafa nisy namaky tao anatin’io kaominina io ihany, ny herinandro lasa teo. Nidina ifotony ny manam-pahefana nijery ny zava-nisy. Velon-taraina noho ny firongatry ny vaky fasana ny fokonolona any an-toerana. Misy ny fandraisana andraikitra hentitra hampiharin’ny zandarimaria miasa ao an-toerana, manoloana ny tranga miseho matetika.
Tsiferana R.




