Lehilahy iray hitan’ny olona nisarona lamba teny amoron’ny lalamby teny amin’ny fokontany Morarano, kaominina ambanivohitra Ambohimanambola, omaly tamin’ny 08 ora maraina. Heverin’ny olona fa faty izy io ka nampandrenesina ny zandary miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra eny an-toerana. Tsy niandry ela, tonga teny ifotony nijery ny zava-nitranga avy hatrany izy ireo, taorian’ny antso. Nitsirara tamin’ny tany, efa misarona lamba manamorona ny lalamby ilay lehilahy, tamin’ny fotoana nahatongavan’ny manam-pahefana. Olona mbola velona soa aman-tsara no hita tao rehefa nosokafana ilay lamba nisalorany. Efa fanaon’io olona io ny zavatra tahaka izao, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandarimaria eny an-toerana. Efa nomena saran-dalana izy mba handehanany hody any amin’ny misy azy, saingy izao niverina izao indray. Marihina fa monina any Maintirano izy ary efa nisy ny taratasy nomen’ny fokontany sy ny zandary azy mba hahafahany mamonjy ny tany fodiany. Niasa tany Fianarantsoa ary nisy nanendaka tany Antsirabe, ka izao mijanona eny Ambohimanambola izao io lehilahy nisari-maty io.
Maty nilatsaham-potaka
Ankoatra izay, lehilahy iray 30 taona, niaraka tamin’ny omby miisa roa, maty nilatsaham-potaka tany Ankanjaka, andrefan’ny tanànan’Ankadifotsy, fokontany Ankadifotsy, distrikan’Ambohidratrimo, ny alahady tamin’ny 05 ora hariva. Teo am-pakana sy hitondra ireo biby fiompiny handeha hody ity lehilahy ity no nirefotra tampoka ny varatra ka namely azy sy ireo omby. Niezaka namonjy azy ny fokonolona teo an-toerana saingy tsy tana ny ainy sy ireo biby fiompiny. Nampandresenina mahakasika ny zava-nitranga ny zandarimariam-pirenena avy amin’ny tobim-paritra Mahitsy. Tonga teny ifotony nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana izy ireo, niaraka tamin’ny mpitsabo. Natolotra ny fianakaviana ny razana sy ny omby taorian’ny fizahana nataon’ireo tomponandraikitra.
Mino




