Aparitaka eny amin’ny tantsaha ny fampiharana ny voka-pikarohana mahakasika ny fambolena sy ny fiompiana ataon’ireo Malagasy teknisianina. Tanjona ny hanavaozana ny rafi-pamokarana entina hampitomboana ny vokatra.
Mikendry ny hanarenana ny rafi-pamokarana raha sendra misy voina mianjady vokatry ny fiovan’ny toetr’andro ny tetikasa mahakasika ny fanjarian-tsakafo miarina (FSRP). Miara-manatanteraka azy ny CGIAR sy ireo Ivontoeram-pikarohana nasionaly (Fofifa, Fifamanor), ny CFFamma ary ny Soc. Famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny Banky iraisam-pirenena izy ity. Natao tany Ampefy, ny 4-6 febroary teo ny atrikasa, nandrafetana ny paikady ho fanapariahana ny fanavaozam-pamokarana, notarihan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Nisy koa ny fizarana ny voka-pikarohana vaovao tanaty FSRP, entina hanapariahana azy any ambanivohitra. Miisa 43 ny teknolojiam-pambolena nosedraina mba ho tohana hampivoarana ny fambolena sy ny fiompiana isak’ireo toe-tany mizara 5 lehibe eto Madagasikara.
Nambaran’ny mpandrindra ny fifanarahana eo amin’ ny FSRP-CGIAR, Randriamiaramanana Mamitiana Eric fa «fanamby hatao taorian’ny andrana ny hanapariahana azy any amin’ny faritra, hampitomboana ny vokatry ny tantsaha». Manome lanja manokana ny teknolojia mampitombo ny otrikaina amin’ny sakafo ny tetikasa FSRP. Indrindra amin’ireo voly stratejika, laharam-pahamehan’ny faritra 6 eto Madagasikara, toy ny vary, ny katsaka, ny ovy ary ny mangahazo. Eo koa ny fiompiana omby sy ny ondry aman’osy.
Omena lanja ny vehivavy
Nanamafy ny filohan’ny fikambanam-behivavy FVTM, Razafindrasoa Hélène, fa “mihemotra ny fahantrana sy ny tsy fanjarian-tsakafo rehefa tohanana ny vehivavy tantsaha. Ho azy, mamaly ny filan’ny vehivavy ny FSRP-CGIAR amin’ny famatsiana fitaovana, zezika, masomboly ary fiofanana ara-teknika.
Ankoatra ny atrikasa, nisy ny fitsidihana ny Sahan’ny Fofifa, fampitomboana ny masomboly fototra tsaramaso tany Ambohidanera Soavinandriana, Kajanga, Antanetimboahangy, Antanetibe ary Ampefy.
Njaka Andriantefiarinesy




