Hihatra manomboka ny 01 marsa ny fampakaran-karama ho 300 000 Ar ho an’ny fandraisana mpiasa ho an’ny sokajy M1, eo amin’ny sehatra tsy miankina, araka ny fifanarahana nataon’ny Fivondronan’ny orinasa malagasy (GEM) sy ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (FivMpaMa) ary ny Conférence des travailleurs de Madagascar (CTM), ny herinandro teo. Mbola haroso hankatoavan’ny Conseil national du travail et de l’emploi ity fifanarahana ity mialoha ny fampiharana azy. Araka izany, maherin’ny 10% ny fampakarana hihatra ho an’ny sokajy voatondro. Nambaran’ny mpiara-miombon’antoka ara-tsosialy fa “vokatry ny fifanakalozan-kevitra sy ny fandraisan’andraikitra nasehon’ny mpiasa sy ny mpampiasa no nahazoana ny fifanarahana”. Notsindriny manokana fa hiaraha-mahalala ny zava-misy mahakasika ny Agoa sy ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka tsy nahafahana nanapa-kevitra nandritra ny fifampidinihana tamin’ny taon-dasa.
Nivoitra tao anatin’ny fanambarana ihany koa fa hampakarina manaraka izany ihany koa ny sokajy hafa.
Marihina fa manodidina ny 262 680Ar ny karama farany ambany eto Madagasikara, eo amin’ny sehatra tsy miankina, taorian’ny fanapahan-kevitra noraisana, ny taona 2024. Mbola maro anefa ireo mpiasa mandray karama latsak’izany, indrindra ireo misehatra eo amin’ny tsy ara-dalàna.
Henintsoa




