Hisitraka mivantana ireo tombontsoa azo avy amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’i Korea Atsimo ireo tanora malagasy hatrany amin’ny 15 000. Fifanarahana entina hanamora ny fandraisana sy fampiofanana, fianarana teny koreanina ary ny fisitrahana asa maro any an-toerana. Voakasik’izany ny Ingénierie de la construction, ny Paramédical, ny jono, ny fitrandrahana ala, ny fanamboarana sambo sy ny maro hafa.
Kendrena ao anatin’ny fandaharanasa “Biodiversité Madagascar 30×30” ny hiarovana sy hitantanana maharitra ny harena voajanahary. Tanjona ny hiarovana 30% ny velaran-tany an-tanety sy an-
dranomasina hatramin’ny taona 2030. Fandaharanasa mampifandray ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fandrosoana ny toekarena ary ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro.
Ho dorana avokoa ireo entana lany daty tratra tany Antsohihy sy Maintirano. Mbola hitohy ny fanaraha-maso ireo entana hamidy sy mety ho simba ary lany daty ho fiarovana ny mpanjifa. Nogiazana avokoa ireo entana tsy manara-dalàna tratra tany amin’ireo mpivarotra sasany ka napetraka amin’ny toerana azo antoka mialoha ny fandorana azy.




