Nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa tetsy Ambaranjana, ny Première agence de microfinance Madagascar (Pamf) sy ny ESCM Business School, omaly. Nametrahana ny atrikasa antsoina hoe: Pamf Academy izany. «Fiaraha-miasa stratejika mikendry ny hanamafisana ny fanofanana ho an’ireo tanora malagasy. Ireo misehatra amin’ny tontolon’ny fitantatana eny anivon’ny banky sy ny famatsiam-bola madinika izany», hoy Ratsimbazafy Guy, Tale jeneralin’ny Pamf. Eo koa ny hampitomboana ny fahaiza-manaon’izy ireo eo amin’ny sehatry ny asa. «Tanjona ny hanomezana vintana ho an’ireo tanora te hanamafy ny fahaizany sy ny fahalalany amin’ny resaka tontolon’ny fitantanana», hoy kosa ny tomponandraikitry ny sekoly. Raisin’ny roa tonta zato isan-jato ny fiantohana ny saram-pianaran’ireo tanora ireo mandritra ny atrikasa. Haharitra dimy volana ny fiofanana. Misy ny mari-pankasitrahana manokana homena azy ireo aorian’izay. Mba hahafahan’izy ireo miatrika ny asa, mifanaraka amin’ny filàn’ny orinasa sy ny tsena ara-bola no antony, raha ny fanazavana.
Manana mari-pahaizana Licence ireo tanora afaka mandray anjara amin’io atrikasa io. Misy ny fitsapana atao amin’izy ireo eny am-piandohana, toy ny fahaizana miteny frantsay. Manomboka androany ny fisoratana anarana ary amin’ny volana marsa izao ny fotoam-pampianarana. Marihina fa fiaraha-miasa maharitra sy mikendry ny fampandrosoana ny tanora malagasy ity atrikasa ity.
Mino




